Fanofanana ho an’ny ekipan’ny Serasera CUA sy Iarivo Radio
Maison de l’Entrepreneuriat – Ambohijatovo
19–20 mey 2025
Nahomby ny atrikasa fanamafisana traikefa ho an’ny ekipan’ny serasera sy Iarivo Radio ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nampianarin’ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, Rasoloarison Monica, sy ny ekipany ilay fiofanana.
Tanjona:
• Fampitomboana ny fahaiza-manao amin’ny asa fanaovan-gazety
• Fanatsarana ny teknika amin’ny famokarana fandaharana
• Fampahatsiahivana ny fitsipika sy fombafomba ara-matihanina
Vokatra andrasana:
Vahoaka afaka mahazo vaovao mazava, mora takarina, ary mifanaraka amin’ny zo hahazo vaovao marina.
Ny CUA dia mijoro hatrany amin’ny fanomezana serasera matihanina sy mahomby ho an’ny olom-pirenena.