Nandritra ny fananganantsaina natao teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nanao famintinana fohy ny zava-bita tamin’ny herinandro lasa ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramatoa Zaratiana Finaritra Rajonson.
Fanamarihana manokana sy fankasitrahana:
• Polisy Monisipaly: Notanterahana omaly ny famaranana ny lalao Rugby, ka nandresy sy nahazo amboara ny ekipan’ny Polisy Monisipaly. Nisaotra sy nankahery azy ireo ny Lefitra voalohany, nampirisika azy ireo hatrany mba hanohy ny ezaka izay mitondra avo ny voninahitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
• Mpamonjy Voina: Notolorana fankasitrahana ihany koa noho ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fandaminana nahomby tamin’ny “Varavarana misokatra” natao ho fankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Mpamonjy Voina, ny Sabotsy lasa teo.
• Fandraisana vahiny sy fahadiovan’ny tanàna: Nankasitrahan’ny Filohan’ny Repoblika ny ezaka nataon’ny Kaominina nandritra sy taorian’ny fandraisana ny delegasiona COI. Araka ny kabariny, hiroso amin’ny fifaninanana ny Kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara, amin’ny sehatry ny fahadiovana ny tanàna.