Araka ny fizarana, "lampes Cobra" miisa 50 avy no natokana ho an’ny Boriboritany enina, izany hoe 300 isa. Ny 300 ambiny kosa dia hotantanan’ny CUA mivantana.
Tanjona amin’izao fanampiana izao ny hanatsarana ny fanazavana ho an’ny daholobe, hanamafisana ny fandriampahalemana ary hanatsarana ny endriky ny Tanànan’Antananarivo.
Nanatrika ny lanonana ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran'ny angovo sy ny akoranafo,ny Préfet de Police, ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Distrika enina eto Antananarivo Renivohitra, ny Filoha Lefitra Voalohan’ny Delegasionina Manokana ary ireo sefo distrika, ireo sefom- pokontany.
Ny CUA dia maneho fankasitraha ny Fitondrana Fanavaozana sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo amin'izao fanampiana izao.




