Nandray an'Andriamatoa Jean-Marc GROSGURIN Masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara ny Filohan'ny Delegasiona Manokanan'ny Tanànan'Antanananarivo Andriamatoa Feno RALAMBOMANANA
6 Novambra 2026 — AdminCUA
Ny diplaomasia eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia tsy fifandraisana fotsiny ihany fa iray amin'ireo tetezana maro mampifandray ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fampandrosoana eny ifotony izay azo tsapain-tanana. Androany 3 Novambra 2026 dia nandray an'Andriamatoa Jean-Marc GROSGURIN Masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara ny Filohan'ny Delegasiona Manokanan'ny Tanànan'Antanananarivo Andriamatoa Feno RALAMBOMANANA teto amin'ny Lapan'ny tanàna analakely fihaonana izay manome lanja ny fivelaran'ny olona manontolo sy ny olona rehetra dia miainga amin'ny fifanakalozan-kevitra feno firaisankina. #CUA #Antananarivo_Madio_Milamina_MendrikaKokoa




